<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L. Hartsough</author>
<hymn_number>449</hymn_number>
<title>Njay reko Tompo o! FFPM449</title>
<lyrics>[V1]
 Njay reko, Tompo ô
 'Njay re ny feonao ;
 Miantso ahy Hianao
 Hankany Kalvary,
 Tompo lehibe,
 Raiso aho e !
 Mba sasao ny ranao soa
 Izay tao Kalvary.

[V2]
 Malemy aho e,
 Ka mitaraina hoe :
 Vonjeo ny aiko,
 Tompo ô !
 Vonjeo ny olonao :
 Tompo lehibe, .. sns.

[V3]
 Ny fiadanam-po
 Mandresy ny manjo ;
 Esorinao ny tahotro,
 Ry Tompo ô ! vonjeo
 Tompo lehibe, .. sns.

[V4]
 Mpanota tsy mandà,
 Ry Tompo, mamelà !
 Ny fahotako lehibe
 Ifonako tokoa ;
 Tompo lehibe, .. sns.

[V5]
 Ny foko tsy madio
 Mba diovinao anio
 Maloto aho,
 ry Tompo ô !
 Sasao ho voadio
 Tompo lehibe, .. sns.

[V6]
 Ny foko no sasao,
 Ka diovinao izao ;
 Ny fahotako marobe
 Levòny avokoa
 Tompo lehibe, .. sns.</lyrics>
</song>